Jeremiah 41:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny volana fahafito, Ismaela, zanak’i Netania, zanak’i Elisama, avy amin’ny taranaky ny mpanjaka, sy ny olona ambony maromaro akaiky ny mpanjaka, dia tonga tany amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama, tao Mizpa; nisy folo lahy niaraka taminy; ary niara-nisakafo tao Mizpa izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tamin’ny volana fahafito, tonga tao amin’i Godoliasa zanak’i Ahikama tao Masfà, i Ismaely zanak’i Nataniasa zanak’i Elisamà, taranak’andriana, nomban’ireo andriambaventin’ny mpanjaka sy olona folo lahy koa, dia niara-nihinana tao Masfà izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanjo tamin’ny volana fahafiton’io taona io ihany dia tonga tany amin’i Gedalià tao Mitsepà, niaraka tamin’ny olona folo lahy i Jismahela, zanakalahin’i Netanià sy zafikelin’i Elisamà; fianakavian’ny mpanjaka io Jismahela io sady anisan’ny manamboninahiny. Koa raha mbola teo am-pihinanana niaraka tamin’i Gedalià iny indrindra,
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny volana fahafito dia tonga tany amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, tao Mizpa Isimaela, zanak'i Netania, zanak'i Elisama, taranaky ny mpanjaka, sy ny mpanapaky ny mpanjaka; ary nisy folo lahy niaraka taminy; ary niara-nihinan-kanina tao Mizpa izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny volana fahafito, Ismaela, zanak’i Netania, zanak’i Elisama, avy amin’ny taranaky ny mpanjaka, sy ny olona ambony maromaro akaiky ny mpanjaka, dia tonga tany amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama, tao Mizpa; nisy folo lahy niaraka taminy; ary niara-nisakafo tao Mizpa izy ireo.
malagasy