Jeremiah 41:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary noentin’Ismaela ho babo ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, na ny vehivavy zanaky ny mpanjaka, na ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, izay napetrak’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, tao amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama; eny, Ismaela, zanak’i Netania, no nitondra azy ireny ho babo ka lasa niala nankany amin’ny taranak’i Amona izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nentin’i Ismaely ho babo ny olona sisa tao Masfà, ireo zanaka vavin’ny mpanjaka mbamin’ny vahoaka rehetra tafajanona tao Masfà, izay nomen’i Nabozardàna lehiben’ny mpiambina an’i Godoliasa zanak’i Ahikama, ho filohany; nentin’i Ismaely zanak’i Nataniasa ho babo ireo, dia lasa nankany amin’ny taranak’i Amôna izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia nentin’i Jismahela ho babo ny sisa tamin’ny mponina tao Mitsepà mbamin’ireo zanakavavin’ny mpanjaka, izany hoe ny olona rehetra napetrak’i Nebozaradàna lehiben’ny mpiambina tamin’i Gedalià; ka nitondra ireo babo ireo i Jismahela no lasa nankany amin’ny Hamônita.
Malagasy Bible 1865
Ary nentin'Isimaela ho babo ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, na ny vehivavy zanak'andriana, na ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, izay napetrak'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama; eny, Isimaela, zanak'i Netania, nitondra azy ireny ho babo, ka dia lasa niala nankany amin'ny taranak'i Amona izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary noentin’Ismaela ho babo ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, na ny vehivavy zanaky ny mpanjaka, na ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, izay napetrak’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, tao amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama; eny, Ismaela, zanak’i Netania, no nitondra azy ireny ho babo ka lasa niala nankany amin’ny taranak’i Amona izy.
malagasy