Jeremiah 41:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Johanana, zanak’i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy dia nitondra ny olona rehetra izay voavonjiny ho afaka tamin’Ismaela, zanak’i Netania, avy tany Mizpa, taorianan’ny namonoany an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, dia ny lehilahy mpiady sy ny zaza amam-behivavy ary ny tandapa, izay noentiny niverina avy tany Gibeona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noraisin’i Johanàna zanak’i Karea mbamin’ny mpifehy miaramila rehetra nomba azy, ny vahoaka sisa rehetra izay efa nentin’i Ismaely zanak’i Nataniasa, avy any Masfà, nony avy namono an’i Godoliasa, zanak’i Ahikama izy, dia ny olona mpiady, ny zaza amam-behivavy, ary ny eonòka, ka nentiny niverina avy any Gabaôna izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany i Jôhanàna sy ireo lehiben’ny andia-miaramila niaraka taminy dia niandraikitra ny olona sisa rehetra izay nentin’i Jismahela ho babo avy tao Mitsepà taorian’ny namonoany ho faty an’i Gedalià zanakalahin’i Ahikama; ireo olona sisa rehetra ireo dia ny lehilahy mpiady sy ny zaza amam-behivavy ary ny tandapa, izay nentina niverina avy tany Gibehôna.
Malagasy Bible 1865
Ary Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy dia nitondra ny olona rehetra izay voavonjiny ho afaka tamin'Isimaela, zanak'i Netania, avy tany Mizpa, taorian'ny namonoany an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, dia ny lehilahy mpiady sy ny zaza amim-behivavy ary ny tandapa, izay nentiny niverina avy tany Gibeona;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Johanana, zanak’i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy dia nitondra ny olona rehetra izay voavonjiny ho afaka tamin’Ismaela, zanak’i Netania, avy tany Mizpa, taorianan’ny namonoany an’i Gedalia, zanak’i Ahikama, dia ny lehilahy mpiady sy ny zaza amam-behivavy ary ny tandapa, izay noentiny niverina avy tany Gibeona.
malagasy