Jeremiah 41:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia nisy valopolo lahy avy tany Sekema sy Silo ary Samaria, izay samy miharatra volombava, sady rovitra ny fitafiany, ary voatetika ny tenany, nitondra fanatitra sy ditin-kazo mani-pofona teny an-tanany, hoentina ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nisy olona valopolo lahy tonga avy any Sikema sy Silô ary Samaria, samy voaharatra ny volombavany, voatriatra ny fitafiany, voatetika ny tenany, nitondra fanatitra aman’emboka manitra, haterina ao an-tranon’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nisy olona valopolo lahy avy any Sekema sy Silao ary Samaria, samy voaharatra ny volombavany sady voatriatra ny fitafiany ary voatetitetika ny tenany. Nitondra koba sy vovo-javamanitra mba hatao fanatitra ao an-tranon’ny TOMPO izy.
Malagasy Bible 1865
dia nisy valo-polo lahy avy tany Sekema sy Silo ary Samaria, izay samy mihara-bolom-bava, sady voatriatra ny fitafiany, ary voatetika ny tenany, nitondra fanatitra sy ditin-kazo mani-pofona teny an-tànany ho entina ao an-tranon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia nisy valopolo lahy avy tany Sekema sy Silo ary Samaria, izay samy miharatra volombava, sady rovitra ny fitafiany, ary voatetika ny tenany, nitondra fanatitra sy ditin-kazo mani-pofona teny an-tanany, hoentina ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
malagasy