Jeremiah 41:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nisy folo lahy tamin’ireo niteny tamin’Ismaela hoe: Aza vonoina izahay; fa manan-tahiry any an-tsaha izahay, dia varimbazaha isan-karazany sy diloilo ary tantely. Dia nijanona tsy namono azy tahaka ny efa nataony tamin’ny namany izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy folo lahy tamin’izy ireo anefa, nilaza tamin’i Ismaely hoe: «Aza mba vonoina izahay, fa manam-pitaovana miafina any an-tsaha, dia varimbazaha, orja, diloilo, sy tantely.» Ka dia nijanona izy, fa tsy namono an’ireo teo afovoan’iretsy rahalahiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy folo lahy tamin’ireo anefa niteny tamin’i Jismahela hoe: –Aza vonoina izahay fa manana tahirin-tsakafo miafina any an-tsaha, dia varim-bazaha sy ôrza ary diloilo sy tantely. Koa tsy nampamonoin’i Jismahela niaraka tamin’ireo namany izy folo lahy.
Malagasy Bible 1865
Fa nisy folo lahy tamin'ireo nanao tamin'Isimaela hoe: Aza vonoina izahay; fa manan-tahiry any an-tsaha izahay, dia vary tritika sy vary hordea sy diloilo ary tantely. Ka dia nijanona izy, fa tsy namono ireo tahaka ny efa nataony tamin'ny namany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nisy folo lahy tamin’ireo niteny tamin’Ismaela hoe: Aza vonoina izahay; fa manan-tahiry any an-tsaha izahay, dia varimbazaha isan-karazany sy diloilo ary tantely. Dia nijanona tsy namono azy tahaka ny efa nataony tamin’ny namany izy.
malagasy