Jeremiah 42:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mbola honina amin’ity tany ity ihany ianareo dia haoriko ianareo fa tsy horavako, ary hamboleko ianareo fa tsy hongotako; fa manenina Aho ny amin’ny loza namelezako anareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha manohy ny fonenana amin’ity tany ity ianareo, dia haoriko fa tsy horavako, hamboleko fa tsy hongotako, fa anenenako ny loza namelezako anareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha hiverina hipetraka ao amin’ity tany ity ianareo, dia haoriko indray ny vahoakanareo fa tsy horavako intsony; hamboleko indray ianareo fa tsy hongotako, ary hanenenako ny loza izay efa namelezako anareo.
Malagasy Bible 1865
Raha mbola honina amin'ity tany ity ihany ianareo, dia haoriko ianareo, fa tsy horavako, ary hamboleko ianareo, fa tsy hongotako, fa manenina Aho ny amin'ny loza namelezako anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mbola honina amin’ity tany ity ihany ianareo dia haoriko ianareo fa tsy horavako, ary hamboleko ianareo fa tsy hongotako; fa manenina Aho ny amin’ny loza namelezako anareo.
malagasy
Raha mbola honina amin'ity tany ity ihany ianareo, dia haoriko ianareo, fa tsy horavako, ary hamboleko ianareo, fa tsy hongotako, fa manenina Aho ny amin'ny loza namelezako anareo.