Jeremiah 42:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Toy ny nampidinana ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin’ny mponina any Jerosalema dia toy izany no hampidinana ny fahatezerako aminareo raha mankany Ejipta ianareo; ary ho fianianana sy ho figagana ary ho fanozonana sy ho fandatsa ianareo, sady tsy hahita ity tany ity intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Toy ny niantefan’ny fahatezerako amam-pahavinirako tamin’ny mponina tao Jerosalema, no hiantefan’ny fahatezerako aminareo, nony tafiditra any Ejipta ianareo, ka dia ho fisahato, fitalanjonana, fanozona ary fandàtsan’ny olona ianareo sady tsy hahita ity tany ity intsony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niteny indray i Jeremià hoe: –Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Tahaka ny nanosahako ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin’ny mponin’i Jerosalema no hanosahako ny fahavinirako aminareo koa, raha mankany Ejipta ianareo. Dia hatsiravina sy hampahonena ianareo ka ho tonga oha-panozonana sy oha-pandatsana, ary tsy hahita ity toerana ity intsony.»
Malagasy Bible 1865
Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Toy ny nanidinana ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin'ny mponina any Jerosalema, dia toy izany no hanidinana ny fahatezerako aminareo, raha mankany Egypta ianareo; ary ho fianianana sy ho figagana sy ho fanozonana ary ho fandatsa ianareo, sady tsy hahita ity tany ity intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Toy ny nampidinana ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin’ny mponina any Jerosalema dia toy izany no hampidinana ny fahatezerako aminareo raha mankany Ejipta ianareo; ary ho fianianana sy ho figagana ary ho fanozonana sy ho fandatsa ianareo, sady tsy hahita ity tany ity intsony.
malagasy