Jeremiah 42:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka niteny tamin’i Jeremia mpaminany hoe: Miangavy anao izahay, aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonanay, ary mba mivavaha re ho anay amin’NY TOMPO Andriamanitrao, dia ireto sisa rehetra ireto, fa vitsy izahay no sisa, na dia maro aza fahiny, dia araka izao hitan’ny masonao izao,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nanao taminy hoe: «Aoka ho tonga eo anatrehanao anie izao fihantanay izao: mivavaha amin’i Iaveh Andriamanitrao, ho an’izao sisa rehetra izao, fa maro izahay taloha, nefa efa tonga vitsy sisa araka izao hitan’ny masonao izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia nanatona an’i Jeremià mpaminany ka niteny taminy hoe: –Mba ekeo re ny fiangaviana ataonay eto anatrehanao, ka mivavaha amin’ny TOMPO Andriamanitrao ho anay rehetra sisa tavela ireto satria vitsy kely izahay araka izao hitanao maso izao.
Malagasy Bible 1865
ka niteny tamin'i Jeremia mpaminany hoe: Masìna ianao, aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonanay, ary mba ivavaho amin'i Jehovah Andriamanitrao re izahay, dia ireto sisa rehetra ireto (fa vitsy izahay no sisa, na dia maro aza fahiny, dia araka izao hitan'ny masonao izao),
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka niteny tamin’i Jeremia mpaminany hoe: Miangavy anao izahay, aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonanay, ary mba mivavaha re ho anay amin’NY TOMPO Andriamanitrao, dia ireto sisa rehetra ireto, fa vitsy izahay no sisa, na dia maro aza fahiny, dia araka izao hitan’ny masonao izao,
malagasy