Jeremiah 42:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Jeremia mpaminany taminy: Efa reko izany; koa indro, hivavaka amin’NY TOMPO Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra izay havalin’NY TOMPO anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Jeremia mpaminany, namaly azy ireo: «Dia reko izany; ka indro aho, hivavaka amin’i Iaveh Andriamanitrareo araka ny teninareo; ary hambarako aminareo avokoa, fa tsy misy hanafenako izay havalin’i Iaveh anareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Jeremià mpaminany taminy: –Efa reko izany, koa handeha hivavaka amin’ny TOMPO Andriamanitsika aho araka izay efa nangatahanareo tamiko; avy eo dia hatoroko anareo ny valin-tenin’ny TOMPO fa tsy hisy hafeniko anareo.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Jeremia mpaminany taminy: Efa reko izany; koa, indro, hivavaka amin'i Jehovah Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra Izay havalin'i Jehovah anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Jeremia mpaminany taminy: Efa reko izany; koa indro, hivavaka amin’NY TOMPO Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra izay havalin’NY TOMPO anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko.
malagasy