Jeremiah 42:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy izy tamin’i Jeremia: NY TOMPO no aoka ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika raha tsy manatanteraka araka ny teny rehetra izay anirahan’NY TOMPO Andriamanitrao anao aminay izahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy izy ireo tamin’i Jeremia: «Aoka i Iaveh ho vavolombelona marina sy mahatoky miampanga anay, raha tsy manatanteraka ny zavatra rehetra araka ny tenin’i Iaveh Andriamanitrao izay hampitondrainy anao ho anay izahay. Hanaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitray, izay nanirahanay anao izahay,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary namaly an’i Jeremià ireo hoe: –Aoka ny TOMPO no ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika! Mianiana izahay fa araka ny teny anirahan’ny TOMPO Andriamanitrao aminay tokoa no hataonay.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy tamin'i Jeremia: Jehovah no aoka ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika, raha tsy manao araka ny teny rehetra izay anirahan'i Jehovah Andriamanitrao anao aminay izahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy izy tamin’i Jeremia: NY TOMPO no aoka ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika raha tsy manatanteraka araka ny teny rehetra izay anirahan’NY TOMPO Andriamanitrao anao aminay izahay.
malagasy
Dia hoy izy tamin'i Jeremia: Jehovah no aoka ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika, raha tsy manao araka ny teny rehetra izay anirahan'i Jehovah Andriamanitrao anao aminay izahay.