Jeremiah 43:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary handrehitra afo ao amin’ny tranon’ny andriamanitr’i Ejipta Aho ka hodorany sy hobaboiny ireo, ary hitafy ny tany Ejipta toy ny fitafin’ny mpiandry ondry ny lambany izy; eny, hiala any amin’ny fiadanana izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Handrehitra afo ao amin’ny tranon’ireo andriamanitr’i Ejipta Aho, ka hodorana izany, ary hoentiny babo ireo andriamanitra ireo; ary hihodidinany hoatra ny hihodidinan’ny mpiandry ondry ny lambany ny tany Ejipta, vao hiala eo amim-piadanana izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hodorany amin’ny afo ny tempolin’ireo andriamanitry ny Ejiptianina, hodorany koa ireo andriamanitry ny Ejiptianina na hoentiny ho babo any aminy. Tahaka ny hitsimponan’ny mpiandry ondry ny haofotsy amin’ny fitafiany no hitsimponany an’i Ejipta. Avy eo dia hiala am-pilaminana izy.
Malagasy Bible 1865
Ary handrehitra afo ao amin'ny tranon'ny andriamanitr'i Egypta Aho, ka dia hodorany sy hobaboiny ireo, ary hitafy ny tany Egypta izy toy ny fitafin'ny mpiandry ondry ny lambany; ary hiala any amin'ny fiadanana izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary handrehitra afo ao amin’ny tranon’ny andriamanitr’i Ejipta Aho ka hodorany sy hobaboiny ireo, ary hitafy ny tany Ejipta toy ny fitafin’ny mpiandry ondry ny lambany izy; eny, hiala any amin’ny fiadanana izy.
malagasy
Ary handrehitra afo ao amin'ny tranon'ny andriamanitr'i Egypta Aho, ka dia hodorany sy hobaboiny ireo, ary hitafy ny tany Egypta izy toy ny fitafin'ny mpiandry ondry ny lambany; ary hiala any amin'ny fiadanana izy.Ary hotorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy ao Beti-semesy, izay any amin'ny tany Egypta; ary hodorany amin'ny afo ny tranon'ny andriamanitr'i Egypta.