Jeremiah 43:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hotorotoroiny ny tsangambaton-tsampy ao Bety-Semesy, izay any amin’ny tany Ejipta; ary hodorany amin’ny afo ny tranon’ny andriamanitr’i Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireo tsangam-bato ao an-tranon’ny Masoandro, eo amin’ny tany Ejipta, hotorotoroina, ary ireo tranon’ny andriamanitr’i Ejipta hodorana.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hotorotoroin’i Nebokadnetsara koa ireo vato mitsangana ao Heliôpôly ary horavany amin’ny afo ireo tempolin’ny andriamanitry ny Ejiptianina.› »
Malagasy Bible 1865
Ary hotorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy ao Beti-semesy, izay any amin'ny tany Egypta; ary hodorany amin'ny afo ny tranon'ny andriamanitr'i Egypta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hotorotoroiny ny tsangambaton-tsampy ao Bety-Semesy, izay any amin’ny tany Ejipta; ary hodorany amin’ny afo ny tranon’ny andriamanitr’i Ejipta.
malagasy
Ary hotorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy ao Beti-semesy, izay any amin'ny tany Egypta; ary hodorany amin'ny afo ny tranon'ny andriamanitr'i Egypta.