Jeremiah 43:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia niteny i Azaria, zanak’i Hosaia, sy i Johanana, zanak’i Karea, mbamin’ny olona mpirehareha rehetra ka niteny tamin’i Jeremia hoe: Mandainga ianao; fa tsy naniraka anao NY TOMPO Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Ejipta;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia niteny i Azariasa zanak’i Osaiasa, sy i Johanàna zanak’i Karea, mbamin’ireo lehilahy mpiavonavona rehetra, ka nanao tamin’i Jeremia hoe: «Milaza lainga ianao; i Iaveh Andriamanitsika tsy naniraka anao hilaza aminay hoe: ‹Aza miditra any Ejipta mba hitoetra ao›.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia namaly i Hazarià zanakalahin’i Hosaià sy i Jôhanàna zanakalahin’i Karea ary ireo lehilahy mpirehaka rehetra ka nanao tamin’i Jeremià hoe: –Mpandainga ianao fa tsy naniraka anao hisakana anay tsy handeha hialokaloka any Ejipta ny TOMPO Andriamanitsika.
Malagasy Bible 1865
dia niteny Azaria, zanak'i Hosaia, sy Johanana, zanak'i Karea, mbamin'ny olona mpirehareha rehetra ka niteny tamin'i Jeremia hoe: Mandainga ianao; fa tsy naniraka anao Jehovah Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Egypta;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia niteny i Azaria, zanak’i Hosaia, sy i Johanana, zanak’i Karea, mbamin’ny olona mpirehareha rehetra ka niteny tamin’i Jeremia hoe: Mandainga ianao; fa tsy naniraka anao NY TOMPO Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Ejipta;
malagasy