Jeremiah 43:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia ny lehilahy sy ny zaza amam-behivavy ary ny vehivavy zanaky ny mpanjaka sy ny olona rehetra izay navelan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, tao amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana. Noentiny koa i Jeremia mpaminany sy i Baroka, zanak’i Neria,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny lehilahy, ny zaza amam-behivavy, ny zanaka vavin’ny mpanjaka, mbamin’ny olona rehetra navelan’i Nabozardàna lehiben’ny mpiambina niaraka tamin’i Godoliasa zanak’i Ahikama, zanak’i Safàna, ary koa i Jeremia mpaminany, mbamin’i Baròka zanak’i Nerià.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia lehilahy mpiady sy zaza amam-behivavy ary ireo zanakavavin’ny mpanjaka; ireo olona rehetra ireo dia izay napetrak’i Nebozaradàna lehiben’ny mpiambina tamin’i Gedalià, zanakalahin’i Ahikama sy zafikelin’i Safàna. Nentiny niaraka taminy koa i Jeremià mpaminany sy i Baròka zanakalahin’i Nerià.
Malagasy Bible 1865
dia ny lehilahy sy ny zaza amim-behivavy sy ny vehivavy zanak'andriana ary ny olona rehetra izay navelan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, sy tao amin'i Jeremia mpaminany sy Baroka, zanak'i Neria
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia ny lehilahy sy ny zaza amam-behivavy ary ny vehivavy zanaky ny mpanjaka sy ny olona rehetra izay navelan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, tao amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama, zanak’i Safana. Noentiny koa i Jeremia mpaminany sy i Baroka, zanak’i Neria,
malagasy