Jeremiah 44:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny teny izay tonga tamin’i Jeremia ho amin’ny Jiosy rehetra izay nonina tany amin’ny tany Ejipta, dia izay nonina tao Migdola, tao Tapanesa, tao Nofa, ary tany amin’ny tany Patrosa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny teny tonga tamin’i Jeremia, ho an’ny Jodeanina rehetra nitoetra tany amin’ny tany Ejipta, dia izay nitoetra tany Migdôla, tany Tafnesa, tany Nôfa, sy tany amin’ny tany Fatoresa, nanao hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy hafatra tonga tamin’i Jeremià ho an’ny Jodeanina rehetra izay nonina tany Ejipta tao an-tanànan’i Migdôla sy i Tahapanehesa sy i Memfisa ary tao amin’ny faritanin’i Patrôsa. Ka hoy i Jeremià taminy:
Malagasy Bible 1865
Ny teny izay tonga tamin'i Jeremia ho amin'ny Jiosy rehetra izay nonina tany amin'ny tany Egypta, dia izay nonina tao Migdola sy Tapanesa sy Memfisa, ary tany amin'ny tany Patrosa, nanao hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny teny izay tonga tamin’i Jeremia ho amin’ny Jiosy* rehetra izay nonina tany amin’ny tany Ejipta, dia izay nonina tao Migdola, tao Tapanesa, tao Nofa, ary tany amin’ny tany Patrosa.
malagasy
[Fananarana ny Jiosy any Egypta mba tsy hanompo sampy] Ny teny izay tonga tamin'i Jeremia ho amin'ny Jiosy rehetra izay nonina tany amin'ny tany Egypta, dia izay nonina tao Migdola sy Tapanesa sy Memfisa, ary tany amin'ny tany Patrosa, nanao hoe:[Heb. Nofa]