Jeremiah 44:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hanandrina anareo Aho hahatonga loza haharingana ny Joda rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho izany, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro Aho hitodi-tava hamely anareo, hahatonga loza aminareo sy handringana an’i Jodà rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nofaranan’i Jeremià hoe: «Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: ‹Indro Aho manandrina anareo ka hahatonga loza handringana ny mponin’i Joda rehetra.
Malagasy Bible 1865
Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hanandrina anareo Aho hahatonga loza haharingana ny Joda rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hanandrina anareo Aho hahatonga loza haharingana ny Joda rehetra.
malagasy
Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hanandrina anareo Aho hahatonga loza haharingana ny Joda rehetra.