Jeremiah 44:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary halaiko ny sisa amin’ny Joda, izay nikiry hankany amin’ny tany Ejipta hivahiny any, ka ho lany ritra izy rehetra; any amin’ny tany Ejipta no hahalavoany, samy ho ringan’ny sabatra sy ny mosary, eny, izy rehetra na ny kely na ny lehibe dia samy ho fatin-tsabatra sy mosary ka ho tonga fianianana sy figagana sy fanozonana ary fandatsa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Halaiko ny sisa amin’i Jodà, izay nitodi-maso mankany Ejipta mba ho tonga hitoetra any: Ho levona any amin’ny tany Ejipta, dia ho lavo izy ireo: ho levon’ny sabatra sy ny mosary; na ny kely na ny lehibe, ho fatin’ny sabatra sy ny mosary izy ireo ary ho tonga fisahato, fitalanjonana, fanozona, ary fandatsa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Halaiko ireo Jodeanina sisa tavela izay nanapa-kevitra handeha hialokaloka any Ejipta, ka ho lany ritra izy rehetra. Any amin’io tany io no hahalavoany sy hahalany ritra azy amin’ny ady sy ny mosary; eny, toy izany no hahafaty azy na ny kely na ny lehibe. Dia hatao ohatra filazàn-javatra maharikoriko sy mampivarahontsana na filazana ozona sy latsa ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary halaiko ny sisa amin'ny Joda, izay nikiry hankany amin'ny tany Egypta hivahiny any, ka ho lany ritra izy rehetra; any amin'ny tany Egypta no hahalavoany, samy ho ringan'ny sabatra sy ny mosary, eny, na ny kely na ny lehibe dia samy ho fatin-tsabatra sy mosary izy rehetra ka ho tonga fianianana sy figagana sy fanozonana ary fandatsa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary halaiko ny sisa amin’ny Joda, izay nikiry hankany amin’ny tany Ejipta hivahiny any, ka ho lany ritra izy rehetra; any amin’ny tany Ejipta no hahalavoany, samy ho ringan’ny sabatra sy ny mosary, eny, izy rehetra na ny kely na ny lehibe dia samy ho fatin-tsabatra sy mosary ka ho tonga fianianana sy figagana sy fanozonana ary fandatsa.
malagasy