Jeremiah 44:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny sisa amin’ny Joda izay lasa nivahiny any Ejipta dia tsy hisy ho afa-mandositra ka ho tafaverina any amin’ny tanin’ny Joda, izay niriny hiverenana mba honenany indray, afa-tsy izay vitsy sendra afa-mandositra ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy hisy ho afaka handositra na ho velona ny sisa amin’i Jodà, tamin’ireo izay tonga mba honina eto amin’ny tanin’i Ejipta, ka hiverina indray amin’ny tanin’i Jodà, izay irin’ny fony hiverenany mba honenana. Satria tsy hisy hody any izy afa-tsy izay vitsivitsy afa-mandositra ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ireo Jodeanina sisa tavela izay tonga hialokaloka tany Ejipta dia tsy hisy ho afa-mandositra na mitsoaka, tsy hisy ho tafaverina any Joda izay niriny fatratra hiverenana mba honenana; tsy hisy hiverina any Joda ireo, afa-tsy izay vitsivitsy nieren-doza ihany.› »
Malagasy Bible 1865
Ary na sisa amin'ny Joda izay lasa nivahiny tany Egypta dia tsy hisy ho afa-mandositra ho tafaverina any amin'ny tanin'ny Joda, izay niriny hiverenana mba honenany, afa-tsy izay vitsy sendra afa-mandositra ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny sisa amin’ny Joda izay lasa nivahiny any Ejipta dia tsy hisy ho afa-mandositra ka ho tafaverina any amin’ny tanin’ny Joda, izay niriny hiverenana mba honenany indray, afa-tsy izay vitsy sendra afa-mandositra ihany.
malagasy