Jeremiah 44:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny lehilahy rehetra izay nahalala fa ny vadiny efa nandoro ditin-kazo manitra ho an’ny andriamanitra hafa, sy ny vehivavy rehetra izay nitsangana teo, dia vahoaka be dia be, ary ny olona rehetra izay nonina tany amin’ny tany Ejipta, tao Patrosa, dia namaly an’i Jeremia hoe:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay namaly an’i Jeremia ny lehilahy rehetra, nahalala fa efa nanatitra emboka manitra tamin’ireo andriamani-kafa, ny vadiny sy ny vehivavy rehetra tafavory teo amin’ny fivoriam-be ary ny vahoaka rehetra nitoetra tany amin’ny tany Ejipta tao Fatoresa, ka nanao hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo lehilahy rehetra izay nahalala fa manolotra zava-manitra mifangaro ho an’ireo andriamani-kafa ny vadiny, ary koa ireo vehivavy rehetra izay tafangona nanao fivoriam-be teo, izany hoe ireo olona rehetra izay nipetraka tany Ejipta tao Patrôsa, dia namaly an’i Jeremià hoe:
Malagasy Bible 1865
Ary ny lehilahy rehetra, izay nahalala fa ny vadiny efa nandoro ditin-kazo manitra ho an'andriamani-kafa, sy ny vehivavy rehetra izay nitsangana teo, dia vahoaka be dia be, ary ny olona rehetra izay nonina tany amin'ny tany Egypta, tao Patrosa, dia namaly an'i Jeremia hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny lehilahy rehetra izay nahalala fa ny vadiny efa nandoro ditin-kazo manitra ho an’ny andriamanitra hafa, sy ny vehivavy rehetra izay nitsangana teo, dia vahoaka be dia be, ary ny olona rehetra izay nonina tany amin’ny tany Ejipta, tao Patrosa, dia namaly an’i Jeremia hoe:
malagasy