Jeremiah 44:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hotanterahinay tokoa ny teny rehetra izay naloaky ny vavanay, dia ny handoro ditin-kazo manitra ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra sy ny hanidina fanatitra aidina ho azy, toy ny efa nataonay sy ny razanay sy ny mpanjakanay ary ny mpanapaka anay tany amin’ny tanànan’ny Joda sy teny amin’ny lalamben’i Jerosalema; fa fahizany dia voky hanina izahay sady nambinina ary tsy nahita loza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny teny rehetra naloakan’ny vavany, dia tsy maintsy tanterahinay tokoa tokoa, amin’ny fanaterana emboka manitra amin’ny Mpanjaka vavin’ny lanitra, amin’ny fandraràhana fanatitra araraka ho azy, araka ny efa nataonay, dia izahay sy ny razanay ary ny mpanjakany ama-mpifehy anay tany amin’ny tanin’i Jodà sy teny an-dalamben’i Jerosalema. Tamin’izay, izahay voky hanina, niadana ary tsy nahita loza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny zavatra rehetra efa tapakay ihany no hataonay: dia ny hanolotra zava-manitra mifangaro sy divay ho an’ny andriamanibavy Hastôreta mpanjakavavin’ny lanitra, tahaka izay efa nataon’ny tenanay sy ny ray aman-dreninay sy ny mpanjakanay ary ireo mpitondra anay tany amin’ireo tanànan’i Joda sy teny amin’ny lalamben’i Jerosalema; fa voky hanina izahay tamin’izany sady nambinina ary tsy nidiran-doza.
Malagasy Bible 1865
Fa hataonay tokoa ny teny rehetra izay naloaky ny vavanay, dia ny handoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra sy ny hanidina fanatitra aidina ho azy, toy ny efa nataonay sy ny razanay sy ny mpanjakanay ary ny mpanapaka anay tany amin'ny tanànan'ny Joda sy teny amin'ny lalamben'i Jerosalema; fa fahizany dia voky hanina izahay sady nambinina ary tsy nahita loza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hotanterahinay tokoa ny teny rehetra izay naloaky ny vavanay, dia ny handoro ditin-kazo manitra ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra sy ny hanidina fanatitra aidina ho azy, toy ny efa nataonay sy ny razanay sy ny mpanjakanay ary ny mpanapaka anay tany amin’ny tanànan’ny Joda sy teny amin’ny lalamben’i Jerosalema; fa fahizany dia voky hanina izahay sady nambinina ary tsy nahita loza.
malagasy