Jeremiah 44:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha nandoro ditin-kazo manitra ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra izahay sy nanidina fanatitra aidina ho azy dia moa tsy fantatry ny vadinay va ny nanaovanay mofo hasiana ny sariny sy ny nanidinanay fanatitra aidina ho azy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha nanatitra emboka manitra sy nandraraka fanatitra araraka ho an’ny Mpanjaka vavin’ny lanitra izahay, moa takona ny vadinay va ny nanaovanay mofomamy manambara azy, sy nandrarahanay fanatitra araraka ho azy?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanampy koa ireo vehivavy ka nanao hoe: –Ary raha nanolotra zava-manitra mifangaro ho an’i Hastôreta mpanjakavavin’ny lanitra izahay, moa tsy neken’ny vadinay ve izany? Fantany tsara fa manao mofo maneho ny sariny izahay sady manolotra fanatitra divay ho azy.
Malagasy Bible 1865
Ary raha nandoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra izahay sy nanidina fanatitra aidina ho azy, moa tsy fantatry ny vadinay va ny nanaovanay mofo hasiana ny sariny sy ny nanidinanay fanatitra aidina ho azy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha nandoro ditin-kazo manitra ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra izahay sy nanidina fanatitra aidina ho azy dia moa tsy fantatry ny vadinay va ny nanaovanay mofo hasiana ny sariny sy ny nanidinanay fanatitra aidina ho azy?
malagasy
Ary raha nandoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra izahay sy nanidina fanatitra aidina ho azy, moa tsy fantatry ny vadinay va ny nanaovanay mofo hasiana ny sariny sy ny nanidinanay fanatitra aidina ho azy?[Na: ho enti-mivavaka aminy]