Jeremiah 44:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny nandoroanareo ditin-kazo manitra tany an-tanànan’ny Joda sy tany an-dalamben’i Jerosalema, dia ianareo sy ny razanareo sy ny mpanjakanareo sy ny mpanapaka anareo mbamin’ny vahoaka, moa tsy notsarovan’NY TOMPO va izany, ary tsy tao an-tsainy va?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Tsy izany indrindra va no tsaroan’i Iaveh sy tafasondrotra tao am-pony, dia ny emboka manitra nodoranareo tany an-tanànan’i Jodà, sy teny an-dalamben’i Jerosalema, na ianareo sy ny razanareo, na ny mpanjakanareo ama-mpanapaka anareo, na ny vahoaka tamin’ny tany?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Moa tsy efa nanolotra ireny fanatitra ireny tany an-tanànan’i Joda sy teny an-dalamben’i Jerosalema tokoa ve ny tenanareo sy ny ray aman-dreninareo ary ny mpanjakanareo sy ny mpitondra anareo mbamin’ny sarambabem-bahoaka? Koa heverinareo va fa tsy hitan’ny TOMPO sady hadinony ireny?
Malagasy Bible 1865
Ny nandoroanareo ditin-kazo manitra tany an-tanànan'ny Joda sy tany an-dalamben'i Jerosalema, dia ianareo sy ny razanareo sy ny mpanjakanareo sy ny mpanapaka anareo mbamin'ny vahoaka, moa tsy hotsarovan'i Jehovah va izany, ary tsy tao an-tsainy va?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny nandoroanareo ditin-kazo manitra tany an-tanànan’ny Joda sy tany an-dalamben’i Jerosalema, dia ianareo sy ny razanareo sy ny mpanjakanareo sy ny mpanapaka anareo mbamin’ny vahoaka, moa tsy notsarovan’NY TOMPO va izany, ary tsy tao an-tsainy va?
malagasy