Jeremiah 44:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa dia tsy nahalefitra intsony NY TOMPO noho ny ratsy nataonareo sy noho ny fahavetavetana nataonareo; koa izany no nanaovana ny taninareo ho lao sy ho figagana ary ho fanozonana ka tsy misy mponina, tahaka ny amin’izao anio izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy nahalefitra mihoatra noho izay intsony i Iaveh, noho ny haratsian’ny nataonareo, sy noho ny fahavetavetana notanterahinareo, ka dia zary efitra lao, voaozona, ary tsy misy mponina ny taninareo, araka izao hita anio izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsia, tsy lefitry ny TOMPO intsony ny fanao ratsy sy ny zavatra maharikoriko vitanareo. Noho izany, dia rava sy nampahonena ny taninareo ary tsy nisy mponina intsony, ka tonga oha-panozonana tahaka izay misy ankehitriny.
Malagasy Bible 1865
Ka dia tsy nahalefitra intsony Jehovah noho ny faharatsian'ny nataonareo sy noho ny fahavetavetana izay nataonareo; koa izany no nanaovana ny taninareo ho lao sy ho figagana ary ho fanozonana, ka tsy misy mponina, tahaka ny amin'izao anio izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa dia tsy nahalefitra intsony NY TOMPO noho ny ratsy nataonareo sy noho ny fahavetavetana nataonareo; koa izany no nanaovana ny taninareo ho lao sy ho figagana ary ho fanozonana ka tsy misy mponina, tahaka ny amin’izao anio izao.
malagasy