Jeremiah 44:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Samy niteny tamin’ny vavanareo ianareo sy ny vadinareo sady nanatanteraka tamin’ny tananareo ka niteny hoe: Hanefa tokoa izay efa nivoadianay izahay ka handoro ditin-kazo manitra ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra sy hanidina fanatitra aidina ho azy; eny, hefainareo tokoa ny voadinareo sady hataonareo tanteraka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Ianareo sy ny vadinareo, samy efa nanambara tamin’ny vavanareo sy nanatanteraka tamin’ny tananareo nanao hoe: ‹Hoefainay tokoa ny voady nataonay, hanolotra emboka manitra sy handraraka fanatitra araraka ho an’ny Mpanjaka vavin’ny lanitra.› Aoka àry, ka efao ny voadinareo, aza diso ny manatanteraka ny voadinareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Ny anareo vehivavy manokana, izay voalazanareo dia tanterahinareo; ka nilaza ianareo fa hanefa ny voady nataonareo tamin’i Hastôreta mpanjakavavin’ny lanitra ary hanolotra zava-manitra mifangaro sy divay ho azy. Koa efao ny voadinareo ary ataovy izay efa nampanantenainareo!
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Hianareo sy ny vadinareo samy niteny tamin'ny vavanareo sady nanatanteraka tamin'ny tananareo ka nanao hoe: Hanefa tokoa izay efa nivoadianay izahay ka handoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra sy hanidina fanatitra aidina ho azy; eny, hefainareo tokoa ny voadinareo sady hataonareo tanteraka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Samy niteny tamin’ny vavanareo ianareo sy ny vadinareo sady nanatanteraka tamin’ny tananareo ka niteny hoe: Hanefa tokoa izay efa nivoadianay izahay ka handoro ditin-kazo manitra ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra sy hanidina fanatitra aidina ho azy; eny, hefainareo tokoa ny voadinareo sady hataonareo tanteraka.
malagasy