Jeremiah 44:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa henoinareo ny tenin’NY TOMPO, ry Joda rehetra, izay monina atỳ amin’ny tany Ejipta: Indro Aho efa nianiana tamin’ny anarako lehibe, hoy NY TOMPO, fa tsy hotononin’ny vavan’ny lehilahy amin’ny Joda manerana ny tany Ejipta intsony ny anarako ka hilazany hoe: Raha velona koa Andriamanitra Tompo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa mihainoa ny tenin’i Iaveh, ry Jodà rehetra mitoetra atỳ amin’ny tany Ejipta: Indro Aho fa mianiana amin’ny Anarako lehibe, hoy i Iaveh, fa tsy hotononin’ny vavan’ny lehilahy amin’i Jodà eran’ny tany Ejipta intsony, ny Anarako, hatao hoe: ‹Velona i Iaveh Tompo›.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa henoy tsara kosa izay ambarako aminareo, ry Jodeanina rehetra izay monina atỳ Ejipta, fa Izaho TOMPO no miteny izao: Indro mianiana amin’ny tenako Aho fa tsy hisy lehilahy jodeanina intsony manerana an’i Ejipta, hanonona ny anarako hoe: ‹Velona ny Tompo ANDRIANANAHARY, ka mianiana aho...!›
Malagasy Bible 1865
Koa henoinareo ny tenin'i Jehovah, ry Joda rehetra, izay monina atỳ amin'ny tany Egypta: Indro Aho efa nianiana tamin'ny anarako lehibe, hoy Jehovah, fa tsy hotononin'ny vavan'ny lehilahy amin'ny Joda eran'ny tany Egypta intsony ny anarako hanao hoe: Raha velona koa Jehovah Tompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa henoinareo ny tenin’NY TOMPO, ry Joda rehetra, izay monina atỳ amin’ny tany Ejipta: Indro Aho efa nianiana tamin’ny anarako lehibe, hoy NY TOMPO, fa tsy hotononin’ny vavan’ny lehilahy amin’ny Joda manerana ny tany Ejipta intsony ny anarako ka hilazany hoe: Raha velona koa Andriamanitra Tompo.
malagasy