Jeremiah 44:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izay afaka mandositra ny sabatra dia ho tafaverina avy atỳ amin’ny tany Ejipta ho any amin’ny tanin’ny Joda, ho vitsy foana anefa ireny; ary ny sisa amin’ny Joda rehetra izay mankany amin’ny tany Ejipta hivahiny any dia hahafantatra izay ho to teny, na ho Izaho, na ho izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izay vitsy kely no ho afa-mandositra ny sabatra, dia ho tafaverina any amin’ny tanin’i Jodà, avy atỳ amin’ny tany Ejipta. Ka dia ho fantatr’izay sisa amin’i Jodà rehetra, dia izay tonga tany Ejipta, hitoetra tany, izay tò teny, na izaho, na izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Olom-bitsy no afaka hitsoaka amin’ny ady sy hiverina avy atỳ Ejipta ho any amin’ny tanin’i Joda. Koa izay sisa velona rehetra amin’ny Jodeanina tonga nialokaloka tatỳ Ejipta dia hahafantatra izay ho to teny na Izaho na izy.
Malagasy Bible 1865
Ary izay afa-mandositra ny sabatra dia ho tafaverina avy atỳ amin'ny tany Egypta ho any amin'ny tanin'ny Joda, ho vitsy foana anefa ireny; ary ny sisa amin'ny Joda rehetra izay mankany amin'ny tany Egypta hivahiny any dia hahafantatra izay ho tò teny, na ho Izaho, na ho izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izay afaka mandositra ny sabatra dia ho tafaverina avy atỳ amin’ny tany Ejipta ho any amin’ny tanin’ny Joda, ho vitsy foana anefa ireny; ary ny sisa amin’ny Joda rehetra izay mankany amin’ny tany Ejipta hivahiny any dia hahafantatra izay ho to teny, na ho Izaho, na ho izy.
malagasy