Jeremiah 44:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izao no famantarana ho anareo, hoy NY TOMPO, fa hovaliko eto amin’ity tany ity ianareo, mba hahafantaranareo fa to tokoa ny teniko hahatonga loza aminareo:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izao no famantarana ho anareo - teny marin’i Iaveh, - fa hovangiako eto amin’ity fitoerana ity tokoa ianareo, mba hampiharihary aminareo fa tsy maintsy tò mihitsy ny teniko hahatonga loza aminareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eto amin’ity toerana ity indrindra no hirotsahako an-tsehatra, hoy ny teny hentitra ambarako, ka hanomezako famantarana ho anareo. Ho fantatrareo amin’izay fa ho tanteraka tokoa ny loza nambarako taminareo.
Malagasy Bible 1865
Ary izao no famantarana ho anareo, hoy Jehovah, fa hovaliako eto amin'ity tany ity ianareo, mba hahafantaranareo fa tò tokoa ny teniko hahatonga loza aminareo:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izao no famantarana ho anareo, hoy NY TOMPO, fa hovaliko eto amin’ity tany ity ianareo, mba hahafantaranareo fa to tokoa ny teniko hahatonga loza aminareo:
malagasy
Ary izao no famantarana ho anareo, hoy Jehovah, fa hovaliako eto amin'ity tany ity ianareo, mba hahafantaranareo fa tò tokoa ny teniko hahatonga loza aminareo:Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Farao-hofra, mpanjakan'i Egypta, hatolotro eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay miady ny ainy, toy ny efa nanolorako an'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, izay fahavalony nitady ny ainy.