Jeremiah 44:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia naidina ny fahavinirako sy ny fahatezerako, eny, nandoro ny tanànan’ny Joda sy ny teny amin’ny lalamben’i Jerosalema izany ka rava sy lao ireny tahaka ny amin’izao anio izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka dia niantefa tamin’izy ireo ny fahavinirako amam-pahatezerako, ka nirehitra tamin’ny tanànan’i Jodà sy ny lalam-ben’i Jerosalema, ka tonga tany lao sy efitra izany, araka ny hita ankehitriny izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa natosako taminareo ny fahavinirako sy ny fahatezerako, ka nandoro ny tanànan’i Joda sy ny lalamben’i Jerosalema; eny, ho rava sy hampahonena ireny araka izay hita amin’izao andro izao.› »
Malagasy Bible 1865
Ka dia naidina ny fahavinirako sy ny fahatezerako, eny, nandoro ny tanànan'ny Joda, sy ny teny amin'ny lalamben'i Jerosalema izany, ka dia rava sy lao ireny tahaka ny amin'izao anio izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia naidina ny fahavinirako sy ny fahatezerako, eny, nandoro ny tanànan’ny Joda sy ny teny amin’ny lalamben’i Jerosalema izany ka rava sy lao ireny tahaka ny amin’izao anio izao.
malagasy
Ka dia naidina ny fahavinirako sy ny fahatezerako, eny, nandoro ny tanànan'ny Joda, sy ny teny amin'ny lalamben'i Jerosalema izany, ka dia rava sy lao ireny tahaka ny amin'izao anio izao.