Jeremiah 44:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Ahoana no anaovanareo izao ratsy lehibe maningotra ny ainareo izao, haharingana ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono ao amin’ny Joda ka tsy hisy miangana anareo?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny dia izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitry ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Nahoana ianareo no nampidi-doza mafy toy izao aminareo, dia izay haharingana anareo ao amin’i Jodà, na ny lehilahy na ny vehivavy aminareo, na ny zaza na ny vao minono aminareo, tsy hisy izay sisa havela akory;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia notohizan’i Jeremià hoe: «Ary ankehitriny dia izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: ‹Ahoana no dia anaovanareo ratsy lehibe hahavoa ny tenanareo? Moa tianareo haringana avokoa angaha ny vahoakan’i Joda mba tsy hisy sisa tavela na lehilahy na vehivavy na tanora na zaza madinika?
Malagasy Bible 1865
Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro, dia Andriamanitry ny Isiraely: Ahoana no anaovanareo izao ratsy lehibe singotry ny ainareo izao, haharingana ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono ao amin'ny Joda tsy hahamisy miangana anareo,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Ahoana no anaovanareo izao ratsy lehibe maningotra ny ainareo izao, haharingana ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono ao amin’ny Joda ka tsy hisy miangana anareo?
malagasy