Jeremiah 44:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mampahatezitra Ahy ianareo amin’ny asan’ny tananareo sy amin’ny andoroana ditin-kazo manitra ho an’ny andriamanitra hafa any amin’ny tany Ejipta izay alehanareo hivahiniana. Izany no haharingana anareo ka hahatonga anareo ho fanozonana sy ho fandatsa any amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia izay hampahatezitra Ahy amin’ny asan-tananareo, amin’ny anateranareo emboka manitra amin’izay andriamani-kafa, eo amin’ny tany Ejipta, izay nidiranareo hitoerana, mba haharingana anareo, sy hahatonga anareo ho fanozona sy fandatsa amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Moa mitady hampahasosotra Ahy va ianareo amin’ny asan-tananareo sy ny fanoloranareo sorona ho an’ireo andriamani-kafa ao amin’ny tany Ejipta izay ialokalofanareo? Sa tianareo haringana ny tenanareo ka ho tonga oha-panozonana sy oha-pandatsana any amin’ny firenen-kafa rehetra eran-tany!
Malagasy Bible 1865
noho ny ampahatezeranareo Ahy amin'ny asan'ny tananareo sy amin'ny andoroana ditin-kazo manitra ho an'andriamani-kafa any amin'ny tany Egypta izay alehanareo hivahiniana, mba haharingana anareo ka hahatonga anareo ho fanozonana sy ho fandatsa any amin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mampahatezitra Ahy ianareo amin’ny asan’ny tananareo sy amin’ny andoroana ditin-kazo manitra ho an’ny andriamanitra hafa any amin’ny tany Ejipta izay alehanareo hivahiniana. Izany no haharingana anareo ka hahatonga anareo ho fanozonana sy ho fandatsa any amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany?
malagasy