Jeremiah 45:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny teny izay nataon’i Jeremia mpaminany tamin’i Baroka, zanak’i Neria, fony izy nanoratra ireto teny ireto tamin’ny taratasy avy tamin’ny vavan’i Jeremia tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’i Joda:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny teny nolazain’i Jeremia mpaminany tamin’i Baròka zanak’i Nerià, fony izy nanoratra ireo teny ireo tamin’ny taratasy araka ny nanononan’i Jeremia azy, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, toy izao:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fony i Baròka zanakalahin’i Nerià nanao an-tsoratra ny hafatra izay notononin’i Jeremià, dia taona fahefatra nanjakàn’i Jôiakima zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda tamin’izay; ka hoy ny teny nataon’i Jeremià mpaminany tamin’i Baròka:
Malagasy Bible 1865
Ny teny izay nataon'i Jeremia mpaminany tamin'i Baroka, zanak'i Neria, fony izy nanoratra ireto teny ireto tamin'ny taratasy avy tamin'ny vavan'i Jeremia tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny teny izay nataon’i Jeremia mpaminany tamin’i Baroka, zanak’i Neria, fony izy nanoratra ireto teny ireto tamin’ny taratasy avy tamin’ny vavan’i Jeremia tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’i Joda:
malagasy
[Teny nasain'Andriamanitra nolazain'i Jeremia tamin'i Baroka] Ny teny izay nataon'i Jeremia mpaminany tamin'i Baroka, zanak'i Neria, fony izy nanoratra ireto teny ireto tamin'ny taratasy avy tamin'ny vavan'i Jeremia tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, hoe: