Jeremiah 45:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitady zavatra lehibe ho anao va ianao? Aza mitady izany! Fa indro, hahatonga loza ho amin’ny nofo rehetra Aho, hoy NY TOMPO; fa raha ny ainao dia homeko anao ho babonao ihany any amin’izay rehetra halehanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ianao kosa hitady zava-dehibe ho anao? Aza mitady izany, fa indro hahatonga loza amin’ny nofo rehetra Aho, - teny marin’i Iaveh, - fa ianao kosa homeko ny ainao ho babonao, any amin’izay fitoerana rehetra halehanao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ianao ve sahy hitaky tombontsoa ho an’ny tenanao manokana? Tsia, aza mitaky na inona na inona; fa indro Aho hahatonga loza ho amin’ny olombelona rehetra. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Kanefa izao no tombontsoa hanananao: Hataoko velona aina ianao any amin’ny toerana rehetra halehanao.»
Malagasy Bible 1865
Mitady zavatra lehibe ho anao va ianao? aza mitady izany! fa, indro, hahatonga loza ho amin'ny nofo rehetra Aho, hoy Jehovah; fa raha ny ainao dia homeko anao ho babonao ihany any amin'izay rehetra nalehanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitady zavatra lehibe ho anao va ianao? Aza mitady izany! Fa indro, hahatonga loza ho amin’ny nofo rehetra Aho, hoy NY TOMPO; fa raha ny ainao dia homeko anao ho babonao ihany any amin’izay rehetra halehanao.
malagasy