Jeremiah 46:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izao andro izao dia an’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, ho andro famaliana hamaliany ny fahavalony; dia hihinana ny sabatra ka ho voky ary ho mamon’ny ran’ireo; fa ny Tompo, dia NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, no mamono zavatra hatao fanatitra any amin’ny tany avaratra eo amoron’ny ony Eofrata.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa andron’ny Tompo Iavehn’ny tafika ity, andro famaliana, hamaliany ny fahavalony! Mihinana ny sabatra ka mivoky, etsaky ny ran’ireny izy; fisoronana ho an’ny Tompo Iavehn’ny tafika izao, any amin’ny tany avaratra amoron’ny ony Eofrata.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa, ho an’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao, ity andro ity dia ho andro famaizana mba hanafaizany ny fahavalony. Ka ny sabatra dia handripaka sy hiletra azy ary himamo amin’ny ran’ireo; satria toa sorona vonoina hatolotra amin’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao no any amin’ny tany avaratra manamorona ny ony Eôfrata.
Malagasy Bible 1865
Fa izao andro izao dia an'i Jehovah, Tompon'ny maro, ho andro famaliana hamaliany ny fahavalony; Ary ny sabatra hihinana ka ho voky sy ho mamon'ny ran'ireo; Fa ny Tompo, dia Jehovah, Tompon'ny maro, no mamono zavatra hatao fanatitra any amin'ny tany avaratra ao amoron'ny ony Eofrata.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izao andro izao dia an’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, ho andro famaliana hamaliany ny fahavalony; dia hihinana ny sabatra ka ho voky ary ho mamon’ny ran’ireo; fa ny Tompo, dia NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, no mamono zavatra hatao fanatitra any amin’ny tany avaratra eo amoron’ny ony Eofrata.
malagasy