Jeremiah 46:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny teny izay nolazain’NY TOMPO tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’ny hiavian’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, hamely ny tany Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Teny nataon’i Iaveh tamin’i Jeremia, mpaminany, ny amin’ny hiavian’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna hamely ny tany Ejipta:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hafatra nampitondrain’ny TOMPO an’i Jeremià mpaminany fony i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna tonga nanafika an’i Ejipta:
Malagasy Bible 1865
Ny teny izay nolazain'i Jehovah tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny hihavian'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, hamely ny tany Egypta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny teny izay nolazain’NY TOMPO tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’ny hiavian’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, hamely ny tany Ejipta.
malagasy
Ny teny izay nolazain'i Jehovah tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny hihavian'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, hamely ny tany Egypta.