Jeremiah 46:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha velona koa Aho, hoy ny Mpanjaka, ny anarany dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Tahaka an’i Tabara amin’ny tendrombohitra sy tahaka an’i Karmela ao amoron-dranomasina, dia ho tahaka izany no hiaviany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Velona Aho, - teny marin’ny Mpanjaka, tompon’ny anarana hoe: Iavehn’ny tafika: Tahaka an’i Tabôra eo amin’ny tendrombohitra, tahaka an’i Karmela, eo ambonin’ny ranomasina, dia tamy izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Teny hentitra no ataon’ilay Mpanjaka Izay antsoina hoe «TOMPOn’izao rehetra izao»: Velona aho ka mianiana fa ho tonga ny fahavalo. Azo antoka tahaka ny fisian’i Tabôra amin’ny samy tendrombohitra izany; azo antoka tahaka ny fisian’i Karmela izay mandòndona eo amoron-dranomasina!
Malagasy Bible 1865
Raha velona koa Aho, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany: Tahaka an'i Tabara amin'ny tendrombohitra, sy tahaka an'i Karmela ao amoron-dranomasina, dia ho tahaka izany no hihaviany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Raha velona koa Aho, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany: Tahaka an'i Tabara amin'ny tendrombohitra, sy tahaka an'i Karmela ao amoron-dranomasina, dia ho tahaka izany no hihaviany.