Jeremiah 46:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Na dia ny olona mpikarama an’ady ao aminy aza, izay tahaka ny ombilahy kely mifahy, ireny koa dia mihodina ka samy mandositra avokoa; tsy mahajanona izy fa tonga aminy ny andro hahitany loza, dia ny andro hamaliana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpikarama eo aminy kosa, hoatra ny zanak’omby voafahy. Indreny miamboho koa izy ireo dia miara-mandositra, fa tsy manohitra izy, fa nihatra taminy ny androm-pahoriana, dia ny fotoana hamaliana azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Voakarakara toa ombilahy kely mifahy ireo miaramila mpikarama an’ady tao Ejipta. Nefa, na ireo koa aza, nihemotra ka samy lasa nandositra avokoa. Tsy nisy nahajoro nony tonga ny andro mahory izay hirotsahako an-tsehatra hamely azy.
Malagasy Bible 1865
Na dia ny olona karamaina ao aminy aza, izay tahaka ny ombilahy kely mifahy, ireny koa dia mihodina ka samy mandositra avokoa; Tsy mahajanona izy, fa efa tonga aminy ny andro hahitany loza, dia ny andro hamaliana azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Na dia ny olona mpikarama an’ady ao aminy aza, izay tahaka ny ombilahy kely mifahy, ireny koa dia mihodina ka samy mandositra avokoa; tsy mahajanona izy fa tonga aminy ny andro hahitany loza, dia ny andro hamaliana azy.
malagasy