Jeremiah 46:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hovaliko i Amona avy any No, ary i Farao sy i Ejipta mbamin’ny andriamaniny sy ny mpanjakany, dia i Farao sy izay rehetra matoky azy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro, hovangiako avokoa i Amôna any Nô, sy i Faraôna sy i Ejipta, ireo andriamaniny sy ny mpanjakany, ary i Faraôna mbamin’ireo natoky azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Indro Aho hirotsaka an-tsehatra hamely an’i Amôna andriamanitr’i Teba, hamely an’i Ejipta sy ny andriamaniny ary ny mpanjakany, eny, hamely ny Farao sy izay rehetra miantehitra aminy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely; Indro, hovaliako Amona avy any Nô Ary Farao sy Egypta mbamin'ny andriamaniny sy ny mpanjakany, dia Farao sy izay rehetra matoky azy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely; Indro, hovaliako Amona avy any Nô Ary Farao sy Egypta mbamin'ny andriamaniny sy ny mpanjakany, dia Farao sy izay rehetra matoky azy;