Jeremiah 46:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary hatolotro eo an-tanan’izay mitady ny ainy izy, dia eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, sy eo an-tanan’ny mpanompony. Ary aorianan’izany, dia ho azo honenana toy ny tamin’ny andro fahiny ihany indray izy, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hatolotra eo an-tanan’izay mitady ny ainy izy ireo, dia eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, sy eo an-tanan’ny mpanompony. Fa any aorian’izany, vao honenana izy, toy ny tamin’ny andro taloha, - teny marin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hatolotro eo an-tanan’ireo mitady hahafaty azy izy, dia i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna mbamin’ireo miaramilany. Rehefa afaka izany, vao hiverina amin’ny laoniny toy ny taloha i Ejipta. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.»
Malagasy Bible 1865
Ary hatolotro eo an-tànan'izay mitady ny ainy izy, dia eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy eo an-tànan'ny mpanompony; Ary aorian'izany, dia handry fahizay toy ny tamin'ny andro fahiny ihany izy, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary hatolotro eo an-tanan’izay mitady ny ainy izy, dia eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, sy eo an-tanan’ny mpanompony. Ary aorianan’izany, dia ho azo honenana toy ny tamin’ny andro fahiny ihany indray izy, hoy NY TOMPO.
malagasy
Ary hatolotro eo an-tànan'izay mitady ny ainy izy, dia eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy eo an-tànan'ny mpanompony; Ary aorian'izany, dia handry fahizay toy ny tamin'ny andro fahiny ihany izy, hoy Jehovah.[Na: honenana indray]