Jeremiah 46:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, ary aza mivadi-po, ry Israely! Fa indro, hovonjeko avy any amin’ny tany lavitra ianao, ary ny taranakao avy any amin’ny tany nahababo azy; dia hiverina i Jakoba ka hiadana, eny, handry fehizay izy ka tsy hisy hanaitaitra azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ianao, aza matahotra, ry Jakôba, mpanompoko, aza manam-badi-po, ry Israely. Indro ianao, halaiko avy any an-tany lavitra, ary ny taranakao, avy any amin’ny tany nahababo azy. Ho tafaverina i Jakôba, ka hiadana, handry fehizay, tsy misy mpanaitaitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aza matahotra kosa ianareo, ry taranak’i Jakôba mpanompoko. Aza kivy ianao, ry firenena Israely, fa indro Aho hamonjy anao avy any amin’ny faritany lavitra any; indro Aho hamonjy ireo taranakao avy any amin’ny tany izay nahababo azy. Hiverina ianareo, ry taranak’i Jakôba, ka hiadana sy handry feizay fa tsy hisy hanaitaitra intsony.
Malagasy Bible 1865
Fa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any amin'ny lavitra ianao, ary ny taranakao avy any amin'ny tany nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana, eny, handry fahizay izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, ary aza mivadi-po, ry Israely! Fa indro, hovonjeko avy any amin’ny tany lavitra ianao, ary ny taranakao avy any amin’ny tany nahababo azy; dia hiverina i Jakoba ka hiadana, eny, handry fehizay izy ka tsy hisy hanaitaitra azy.
malagasy
Fa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any amin'ny lavitra ianao, ary ny taranakao avy any amin'ny tany nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana, eny, handry fahizay izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.Aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah, fa momba anao Aho; Fa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nandroahako anao, ianao tsy mba holevoniko, nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny.