Jeremiah 46:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy NY TOMPO, fa momba anao Aho. Fa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nandroahako anao dia tsy mba holevoniko ianao, nefa kosa mba hanariko araka ny fitsarako ihany ianao fa tsy dia havelako fotsiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza matahotra ianao, ry Jakôba, mpanompoko, - teny marin’i Iaveh, - fa momba anao Aho! Haringako avokoa ny firenena rehetra nandroahako anao. Fa ianao kosa tsy mba haringako. Hofaizako ara-drariny anefa ianao, fa tsy dia havelako ho afa-potsiny tsy akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry taranak’i Jakôba mpanompoko, aza matahotra ianareo, satria Izaho no miaraka aminareo; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Hofongorako ny firenen-kafa rehetra izay nanelezako anareo; ianareo kosa tsy mba hofongorako, na dia tsy maintsy faiziko araka ny hitsiny ihany aza fa tsy havelako ho afa-maina!
Malagasy Bible 1865
Aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah, fa momba anao Aho; Fa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nandroahako anao, ianao tsy mba holevoniko, nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy NY TOMPO, fa momba anao Aho. Fa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nandroahako anao dia tsy mba holevoniko ianao, nefa kosa mba hanariko araka ny fitsarako ihany ianao fa tsy dia havelako fotsiny.
malagasy