Jeremiah 46:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indrisy inona ity hitako! Raiki-tahotra sy miamboho izy, ary ny maheriny aza dia efa ripaka sady miezaka mandositra izy ka tsy miherika akory; fa misy fampangorohoroana manodidina, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa inona re ity hitako e? Raiki-tahotra izy ireo ka miamboho lahy! Resy ny mpiadiny! Mandositra tsy miherika akory izy ireo! Fa misy fampangorohoroana hatraiza hatraiza, - teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ahoana izao zavatra hitako izao? Raiki-tahotra izy ka mihemotra. Resy ireo miaramila mahery fo sady mitsoaka mandositra, ka tsy misy miherika akory. Fihorohoroana hatraiza hatraiza, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Indrisy ny ahitako azy! raiki-tahotra sy miamboho izy, ary ny maheriny aza dia efa ripaka, sady miezaka mandositra izy ka tsy miherika akory; Fa misy fampangorohoroana manodidina, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indrisy inona ity hitako! Raiki-tahotra sy miamboho izy, ary ny maheriny aza dia efa ripaka sady miezaka mandositra izy ka tsy miherika akory; fa misy fampangorohoroana manodidina, hoy NY TOMPO.
malagasy
Indrisy ny ahitako azy! raiki-tahotra sy miamboho izy, ary ny maheriny aza dia efa ripaka, sady miezaka mandositra izy ka tsy miherika akory; Fa misy fampangorohoroana manodidina, hoy Jehovah.