Jeremiah 46:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Miakara, ianareo soavaly, ary miriota toy ny adala, ianareo kalesy fitondra miady; ary aoka hiainga ny lehilahy mahery, dia ny Kosy sy ny Pota izay mitana ampinga, ary ny Loda izay mitana sy manenjana tsipìka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mandrosoa, ry soavaly; mirimorimoa, ry kalesy! Miaingà, ry mpiady! Ry Etiôpianina sy Libianina mitana ampinga, Ry Lidianina, mitana sy manenjana tsipìka!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manafiha amin’izay, ry soavaly, ary miriota mafy, ry kalesy! Aoka hiainga ny mahery fo, dia ireo olon’i Kosy sy Pota izay mpitondra ampinga kely sy ireo olon’i Loda izay mirongo tsipîka!»
Malagasy Bible 1865
Miakara, ianareo soavaly, ary miriota toy ny adala, ianareo kalesy; Ary aoka hivoaka ny lehilahy mahery, dia ny Etiopiana sy ny Libyana, izay mitana ampinga, ary ny Lydiana, izay mitana sy manenjana tsipìka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Miakara, ianareo soavaly, ary miriota toy ny adala, ianareo kalesy fitondra miady; ary aoka hiainga ny lehilahy mahery, dia ny Kosy sy ny Pota izay mitana ampinga, ary ny Loda izay mitana sy manenjana tsipìka.
malagasy
Miakara, ianareo soavaly, ary miriota toy ny adala, ianareo kalesy; Ary aoka hivoaka ny lehilahy mahery, dia ny Etiopiana sy ny Libyana, izay mitana ampinga, ary ny Lydiana, izay mitana sy manenjana tsipìka.[Heb. Pota][Heb. Loda]