Jeremiah 47:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, misy rano mizotra avy any avaratra ka ho tonga ony maria manafotra ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna mbamin’izay monina ao aminy; mitaraina ny olona, ary midradradradra ny mponina rehetra amin’ny tany,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh: Indro, misy rano be misondrotra avy any avaratra; dia tonga sahala amin’ny renirano maria tondraka, ka hanafotra ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy, na ny tanàna, na ny mponina. Mihorakoraka ny lehilahy, ary midradradradra avokoa ny mponina amin’ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPO: «Misy ranotrambo mipoitra avy any avaratra, ary tonga ranon-driaka misamboaravoara ka manafotra ny tany sy izay rehetra eo aminy, dia ireo tanàna sy ny mponina ao aminy. Mikiakiaka ny olona; ary manao hira fitarainana ny mponina rehetra amin’ny tany.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah: Indro, misy rano mizotra avy any avaratra ka ho tonga ony maria manafotra ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna mbamin'izay monina ao aminy; Ka dia hitaraina ny olona, ary hidradradradra ny mponina rehetra amin'ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, misy rano mizotra avy any avaratra ka ho tonga ony maria manafotra ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna mbamin’izay monina ao aminy; mitaraina ny olona, ary midradradradra ny mponina rehetra amin’ny tany,
malagasy