Jeremiah 47:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
noho ny fikatrokatroky ny kitron’ny soavaliny matanjaka sy ny fikorodondrodon’ny kalesy fitondrany miady ary ny fikotrokotroky ny kodiarany; ary ny ray dia tsy mijery ny zanany fa miraviravy tanana,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa re ny fikatraokan’ny tongo-tsoavaliny, sy ny firodorodon’ny kalesiny aman-tabataban’ny kodiarany: tsy miherika izay zanany intsony ny rainy, fa efa miraviravy tanana fatratra ny olona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mikatrokatroka ny kitron’ireo soavaly matanjaka mirodorodo ny kalesy ary mikotrokotroka ny kodiarany; ka manadino zanaka ny ray aman-dreny satria efa miraviravy tanana.
Malagasy Bible 1865
Noho ny fikatrokatroky ny kitron'ny soavaliny matanjaka sy ny fikorodondrodon'ny kalesiny ary ny fikotrototroky ny kodiany ny ray dia tsy miherika ny zanany, fa efa miraviravy tanana,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
noho ny fikatrokatroky ny kitron’ny soavaliny matanjaka sy ny fikorodondrodon’ny kalesy fitondrany miady ary ny fikotrokotroky ny kodiarany; ary ny ray dia tsy mijery ny zanany fa miraviravy tanana,
malagasy
Noho ny fikatrokatroky ny kitron'ny soavaliny matanjaka sy ny fikorodondrodon'ny kalesiny ary ny fikotrototroky ny kodiany ny ray dia tsy miherika ny zanany, fa efa miraviravy tanana,