Jeremiah 48:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny amin’i Moaba. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Nidiran-doza i Nebo fa rava! Mangaihay i Kiriataima fa azo; mangaihay i Misgaba sady raiki-tahotra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
An’i Moaba. Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Loza ho an’i Nabô, fa rava; safo-kenatra i Kariataima, fa azo; safo-kenatra ny trano mimanda, fa voazera;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fanambaràna ny amin’i Môaba. Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Loza ity manjo ny tanànan’i Nebao, fa rava! Ketraka i Kiriataima, fa azo: ketraka izany tanànamimanda izany, fa mirodana!
Malagasy Bible 1865
Ny amin'i Moaba. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Nidiran-doza Nebo, fa rava! Mangaihay Kiriataima, fa afaka; Mangaihay Misgaba sady raiki-tahotra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny amin’i Moaba. Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Nidiran-doza i Nebo fa rava! Mangaihay i Kiriataima fa azo; mangaihay i Misgaba sady raiki-tahotra.
malagasy
[Faminaniana ny amin'i Moaba] Ny amin'i Moaba. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Nidiran-doza Nebo, fa rava! Mangaihay Kiriataima, fa afaka; Mangaihay Misgaba sady raiki-tahotra.[Na: ny fiarovana avo]