Jeremiah 48:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nandry fehizay i Moaba hatry ny fony izy mbola kely ka niotrika tao amin’ny faikany, fa tsy mba naidina nafindrafindra siny ary tsy mbola lasan-ko babo izy; koa izany no naharetan’ny tsirony ao aminy sy tsy niovan’ny fofony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hatry ny fony mbola zaza i Moaba dia nandry feizay, niotrika teo amin’ny faikany, tsy nafindrafindra vilany, tsy lasana ho any amin’ny fahababoana, ka dia naharitra ny tsirony, ary tsy niova ny fofony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Tsy mba niaina tamin’ahiahy i Môaba hatry ny fony izy mbola kely, ary tsy mbola nentina ho babo mihitsy. Nandry feizay am-pilaminana izy toy ny divay niotrika hitsihan’ny faikany ary tsy mbola naidina nafindra siny ka mitana tsiro sady tsy miova hanitra.
Malagasy Bible 1865
Moaba nandry fahizay hatry ny fony izy mbola kely ka niotrika tao amin'ny faikany, fa tsy naidina nafindrafindra siny, ary tsy mbola lasan-ko babo izy; koa izany no aharetan'ny tsirony ao aminy sy tsy iovan'ny fofony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nandry fehizay i Moaba hatry ny fony izy mbola kely ka niotrika tao amin’ny faikany, fa tsy mba naidina nafindrafindra siny ary tsy mbola lasan-ko babo izy; koa izany no naharetan’ny tsirony ao aminy sy tsy niovan’ny fofony.
malagasy