Jeremiah 48:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry mponina ao Dibona zanakavavy, midìna hiala amin’ny voninahitrao ka mitoera ao amin’ny tany mangentana, fa ilay mandringana an’i Moaba dia miakatra hamely anao sady mandrava ny fiarovanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mietre amin’ny voninahitrao dia mipetraha amin’ny tany, ry mponina, zanaka vavin’i Dibôna; fa tafakatra hamely anao ny mpandringana an’i Moaba, ny mandanao efa voazerany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry mponina mahonena ao Dibôna, midìna avy eo amin’ny toeram-boninahitrareo ka mitoera ao anaty fako ianareo, satria miakatra hanafika anareo ilay mpandrava an’i Môaba ka mandrodana ny mandanareo.
Malagasy Bible 1865
Ry Dibona, zanakavavy mponina, midina miala amin'ny voninahitrao, ka mitoera ao amin'ny tany mangentana, fa ilay mandringana an'i Moaba dia miakatra mamely anao sady mandrava ny fiarovanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry mponina ao Dibona zanakavavy, midìna hiala amin’ny voninahitrao ka mitoera ao amin’ny tany mangentana, fa ilay mandringana an’i Moaba dia miakatra hamely anao sady mandrava ny fiarovanao.
malagasy
Ry Dibona, zanakavavy mponina, midina miala amin'ny voninahitrao, ka mitoera ao amin'ny tany mangentana, fa ilay mandringana an'i Moaba dia miakatra mamely anao sady mandrava ny fiarovanao.