Jeremiah 48:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izaho no mahalala ny vavany tafahoatra sy ny fibedibediny foana, hoy NY TOMPO; samy tsinontsinona ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izaho koa dia mahalala, - teny marin’i Iaveh, - ny fihoa-bavany sy ny bedibedy foanany, ary ny asany tsinontsinona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Fantatro ny fianjonanjony sy ny fibedibediny foana, hoy ny teny hentitry ny TOMPO; tsinontsinona izay ataony.»
Malagasy Bible 1865
Izaho mahalala ny fihoa-bavany sy ny fibedibediny foana, hoy Jehovah; Tsinontsinona ny ataony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izaho no mahalala ny vavany tafahoatra sy ny fibedibediny foana, hoy NY TOMPO; samy tsinontsinona ireny.
malagasy
Izaho mahalala ny fihoa-bavany sy ny fibedibediny foana, hoy Jehovah; Tsinontsinona ny ataony.