Jeremiah 48:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mihoatra noho ny fitomanian’i Jazera no hitomaniako anao, ry voalobok’i Sibma, tafita ny ranomasina ny rantsanao ary tonga hatrany amin’ny ranomasin’i Jazera; ny mpandripaka dia tonga handripaka ny voankazonao masaka fahavaratra sy ny voalobokao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mihoatra noho ny fitomaniana an’i Jazera no itomaniako anao, ry tanimboalobok’i Sabamà. Tafita ny ranomasina ny rantsanao tafapaka amin’ny ranomasin’i Jazera izy. Kanjo ny fitoazana anao amam-pitoazana ny voalobokao, nianjeran’ny mpandringana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mihoatra noho ny fitomanian’ny mponina tao Jahizera no itomaniako anao, ry voly voaloboka any Sibmà, fa ny sampanao nandadilady hatrany ampitan’ny Ranomasina Maty ka tafapaka hatrany Jahizera. Kinanjo ilay mpandrava nandripaka ny fiotazanao sy ny fijinjànao.
Malagasy Bible 1865
Mihoatra noho ny fitomanian 'i Jazera no hitomaniako anao, ry voalobok'i Sibma, tafita ny ranomasina ny rantsanao ary tonga hatrany amin'ny ranomasin'i Jazera; Ny mpandripaka dia tonga handripaka ny voankazonao masaka fahavaratra sy ny voalobokao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mihoatra noho ny fitomanian’i Jazera no hitomaniako anao, ry voalobok’i Sibma, tafita ny ranomasina ny rantsanao ary tonga hatrany amin’ny ranomasin’i Jazera; ny mpandripaka dia tonga handripaka ny voankazonao masaka fahavaratra sy ny voalobokao.
malagasy
Mihoatra noho ny fitomanian'i Jazera no hitomaniako anao, ry voalobok'i Sibma, tafita ny ranomasina ny rantsanao ary tonga hatrany amin'ny ranomasin'i Jazera; Ny mpandripaka dia tonga handripaka ny voankazonao masaka fahavaratra sy ny voalobokao.[Na: fitomaniana an']