Jeremiah 48:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny hafaliana sy ny faharavoravoana dia nesorina tamin’ny saha nahavokatra sy tamin’ny tany Moaba; ary nataoko tankina ny divay tamin’ny vata fanantazana ranom-boaloboka, tsy hisy intsony fihobiana rehefa manao fanitsakitsahana voaloboka, raha misy aza dia fihobiana tsy izy akory.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Foana ny fifaliana amam-piravoravoana, eo amin’ny saha voavoly hazo mamoa sy ny tanin’i Moaba; nataoko tankina ny divay eo amin’ny barìka fandomam-boaloboka; tsy hosihosena intsony amam-pihobiana maresaka izy; ny hoby efa tsy hoby intsony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitsahatra ny koranam-pifaliana avy eny an-tanimboaloboka sy teny an-tsahan’i Môaba. Tsy misy mpanosihosy voaloboka intsony ary noritiko ny divay tao anaty barîka; foana hatreo ny akoram-pifaliana.
Malagasy Bible 1865
Ary ny hafaliana sy ny faharavoravoana nesorina tamin'ny saha nahavokatra sy tamin'ny tany Moaba, ary nataoko tankina ny divay tamin'ny vata fanantazana ranom-boaloboka, tsy hisy hihoby amin'ny fanitsakitsahana; Ny fihobiana dia tsy fihobiana akory.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny hafaliana sy ny faharavoravoana dia nesorina tamin’ny saha nahavokatra sy tamin’ny tany Moaba; ary nataoko tankina ny divay tamin’ny vata fanantazana ranom-boaloboka, tsy hisy intsony fihobiana rehefa manao fanitsakitsahana voaloboka, raha misy aza dia fihobiana tsy izy akory.
malagasy